
Tsy mbola mahafeno ny fepetra. Nihaona teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo ny fivondronamben’ny mpanohitra. Sambany ny fiarahana tamin’ireo maniry ny hivondrona ho mpanohitra eto amintsika. Anisan’izany ny mpanorina ny antoko Tim.
Anisan’ny nasongadin’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana tamin’ny lahateniny tamin’izany fa ilaina ny fanofanana ireo mpanao politika. “Tsy mety raha mpitarika antoko na mpanao politika nefa tsy mahalala akory ny fanoherana… Hanafatra manampahaizana hanofana isika… Inona ny antom-pijoroan’ny mpanohitra ? Ny fotokevitra ijoroany sy ny fiainana ny demokrasia… Tsy misy fitondrana na firenena mandeha raha tsy misy mpanohitra. Lasa manao danin’ny kibony ny mpitondra ”, hoy izy. Niaiky ny tenany fa misy ny fitiavan’ireo mpanao politika hitondra ny anjara biriky ho an’ity firenena ity. Ilaina ny mangarahara sy ny fihenoana ny feon’ny mpanohitra. Efa lany andro ny fanapenam-bava ny antoko mpanohitra ataon’ny mpitondra manoloana ny teknolojia sy ny fandrosoana efa misy izao, araka ny nambarany. Novakiny koa ny famoahana haingana ny didy fampiharana ny lalàna mifehy ny fanoherana. “Mbola tsy nampiharina io ka tsy misy antony tokony hanovana izany lalàna izany”, hoy izy.
Tokony ho mailo amin’ny manodidina azy ny filoha
Nitodika amin’ny mpitondra ny tenany ka nilaza fa tokony hojerena ihany koa ny olona manodidina ny filoham-pirenena na ireo tandapa. Eo koa ny nanolorany hevitra fa tokony hofehezin’ny filoha ny vola vahiny ary atao ny hisian’ny tahiry amin ‘izany. Eo koa ny fiarovana ny vahoaka sy ny tany… “Anisan’ny maika eto amin’ny firenena ny resaka sakafo… Tsy tena mitombina amin’ny atao ny mpitondra fa taitra sy entanim-po fotsiny… Ilaina ny fanadihadiana lalina”, hoy izy.
Tsiahivina fa marobe ireo mpanao politika nanatrika ity fihaonana ity. Na izany aza, tsy nandalo na nisedra ny safidim-bahoaka ary tsy manana depiote ny maro amin’izy ireo.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.