Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanahiana halatra taova: nirefodrefotra ny basy olona roa voasambotra

Fanahiana halatra taova: nirefodrefotra ny basy olona roa voasambotra

 

 Poa-basy, grenady lakrimozena nitora-jofo, doro kodiarana, tora-bato… Izany ny santionan’ireo zava-nitranga tao Toamasina, ny alin’ny zoma teo noho ilay raharaha fahitan’ny tovovavy iray taova sy karandohan’olona  tao amin’ny tokantrano iray. Nikasa hanao fitsaram-bahoaka ireto andian’olona marobe ireto. Tsy nanaiky anefa ny mpitandro filaminana…

Nirefodrefotra nandritra ny alina manontolo, ny zoma hifoha asabotsy teo, ny basy sy ny grenady lakrimozena nataon’ny mpitandro filaminana handravana sy hanapariahana ireo andian’olona marobe nirohotra nandoro trano sy hanao fitsaram-bahoaka tao amina tokantranona fianakaviana iray eo amin’ny “4 chemins” Morarano Toamasina. Niezaka nanohitra ireo andian’olona naneho ny hatezerana tamin’ny fielezan’ny vaovao momba ity halatra taova ity ny mpitandro filaminana. Nandrehitra kodiarana teo amin’ny arabe sady nitora-bato ny fiaran’ireo mpitandro filaminana izy ireo. Vokany, vaky ny fitaratry ny fiaran’ny polisy. Naratra voatora-bato ihany koa ny polisy. Olona roa avy amin’ireo mpanao fikehetsiketsehana voasambotra  hanaovana fanadihadiana  momba ity tora-bato sy fandrehetana kodiarana. Mbola nahitana fokonolona mitangorongorona teny an-toerana , omaly  mikasa ny hiditra an-keriny ao amin’ilay tranovato misy peta-drindrina mitady mpiasa efa ho ampolon-taona maro.

Mpiasa iray nahita karandohan’olona…

Toy izao ny raharaha raha hiverenena. Misy soratra amin’ilay peta-drindrina amin’ilay tranovato efa hatramin’ny taona 1991 milaza fa  mitady mpiasa. Fianakaviana efa manana ny lazany hatramin’izay izy ireo, araka ny fampitam-baovao. Ny zoma tolakandro teo, nisy tovovavy nitady asa tao amin’ity trano ity ary noraisina hiasa. Ny zoma io ihany, tonga tany amin’ny zandary ilay tovovavy sady efa sempotsempotra nitantara ny hitany tao amin’ilay trano. “Mpiasa vao hiditra hiasa ao amin’ny fianakavian’i T. M. aho ka nahita karandohan’olona sy taolana ary taova samihafa raha iny hiditra tao amin’ny efitrano fandroana  iny. Nitsoaka nanao ny fomba rehetra nahafahako nivoaka tao aho raha nahita izany. Izao tonga aty aminareo izao”, hoy ilay tovovavy, araka ny tatitra nampitain’ny zandary ao Toamasina nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, notarihin’ny Prefet, Benandrasana Cyril sy ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ao Toamasina, Rajaonah Thierry. Nangataka fahazoan-dalàna hanao fisavana trano teo anivon’ny fampanoavana ny zandary raha vao naharay izany fiampangana izany ary niroso haingana nanao ny fisavana ilay trano voalaza. Nambaran’ireo mpitandro filaminana nanao ny fisavana anefa fa tsy nahita na inona na inona ry zareo nandritra ny fisavana natao ka anisan’ny antony nanazavan’ny prefet sy ny tonia ny mpampanoa lalàna ny tokony hampitony ny rehetra. Tsy nanaiky izany anefa ireo andian’olona raha tsy misy solontenam-pokonolona navela miditra manao fisavana ao amin’ilay trano, araka ny fanazavana voaray hatrany.

Sajo sy Jean Claude

Les commentaires sont fermées.