Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andron’ny Mpanazava: nahazo vahana ny fanatanjahantena

Andron’ny Mpanazava: nahazo vahana ny fanatanjahantena

Notanterahina teny amin’ny lycée Ampefiloha, ny faran’ny herinandro teo ny Andron’ny mpanazava eto Madagasikara. Hetsika ara-panatanjahantena sy kilalaon-tsaina ary fanomezan-dra tao amin’ny Hjra niampy fanomezan-tanana teny anivon’ny HJRB no nanamarihana izany. Satria ny fibeazana ny zatovovavy sy ny ankizivavy mivelatra amin’ny saina sy ny vatana ary ny fanahy, nampiarahana ireo teny Ampefiloha. Nisy ny lalao nandraisan’ny ekipa ary niompana amin’ny lohahevitra mifandraika amin’ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy (ODD) toy ny fanjarian-tsakafo, ady amin’ny herisetra, fahaiza-mitarika, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana Mpanazava eto Madagasikara, Rakotomalala Helinoro. Ankoatra ny fampahafantarana ireo tanjona ireo, ampirisihina koa ny tanora handray anjara amin’ny fiarahamonina amin’ny tandrify azy. Beazina ny zatovovavy ho tanora vanona sy vonona ary ho vavolombelon’i Jesoa kristy amin’ny zavatra ataony rehetra. Ampianarina koa izy ireo ho tompon’andraikitra ary hijoro amin’ny maha izy azy eny anivon’ny fiarahamonina.

50 000 ny mpikambana ao anatin’ny Mpanazava eto Madagasikara manome lanja ny fibeazana ho olona tompon’andraikitra ary mitondra vahaolana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.