Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lavon’ny zandary ny dahalo dimy lahy namany: tafaporitsaka i Del Kely, azo ny kara-panondrony

Lavon’ny zandary ny dahalo dimy lahy namany: tafaporitsaka i Del Kely, azo ny kara-panondrony

Tafaporitsaka, nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary, tao amin’ny kaominina Mahatsinjo, distrikan’i Maevatanàna, indray ilay jiolahy raindahiny, natao hazalambo hatry ny ela, antsoina hoe Del Kely. Tavela tamin’izany ny kara-panondrony izay ahafantarana ny salovan-tavany. Lavo nandritra izany kosa ny dahalo dimy lahy tena akaiky azy.

Nahazo angom-baovao tamin’ny olona ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria Betsiboka fa mitoby ao amin’ny tanàna atao hoe Antanifotsy, kaominina ambanivohitr’i Mahatsinjo, distrikan’i Maevatanàna, faritra Betsiboka, ilay dahalo raindahiny nokarohina hatry ny ela atao hoe Del Kely sy ireo jiolahy namany akaiky, afakomaly. Nidina ifotony avy hatrany ny zandary nanara-dia ireo jiolahy. Rehefa tonga tao an-toerana ireto farany, voamarina fa nitoby tao amin’ny tranokely iray i Del Kely sy namany, saingy tsy tratra tao fa namany roa no tratra’ny zandary. Rehefa natao ny fisavana ilay trano, mbola tao avokoa ny fitaovany toy ny akanjo, ny antontan-taratasy, ny mohara, ny omby miisa valo tsy misy taratasy sy tsy misy kavina. Nitohy ny savahao nataon’ny zandary ka tonga tao amin’ny toerana atao hoe Manalasala, fokontany Tsinjorano, kaominina ambanivohitr’Antsiabositra, nisy dahalo maromaro nitifitra avy hatrany. Raikitra ny fifampitifirana ka dahalo telo indray lavo, saingy nisy ihany ireo tafaporitsaka. Nitohy ihany ny fizahana ireo dahalo lavo ka hita teo amin’ny toerana nifampitifirana ny kara-panondrom-pirenena iray latsaka izay an’i Del Kely niaraka tamin’ny basy Mas 36 iray miaraka amin’ny bala enina, basim-borona iray sy bala telo, balana basy poleta miisa roa, antsy sy famaky miisa valo ary karazana mohara maro, araka ny tatitra nampitain’ny zandary hatrany.

Nampiasa fiara mifonovy ny zandary…

Nandritra izany anefa ireo dahalo roa lahy azo sambo-belona tao Antanifotsy, nentin’ny zandary nanoro lalana izay misy an’i Del Kely. Nikasa handositra anefa izy roa ka voatery nitifitra avy hatrany ny zandary taorian’ny fampitandremana. Vokany, maty tsy tra-drano ireto jiolahy roa akaiky an’i Del Kely ireto. Lavo avokoa, araka izany, ireo dahalo dimy lahy fa i Del Kely sy ny namany iray tafaporitsaka nandritra ny fifampitifirana, saingy efa azo ny mombamomba azy rehetra, araka ny voalaza ao amin’ilay kara-panondro latsaka teo akaikin’ireo jiolahy maty voatifitra. Nanamafy hatrany ny zandary fa sambany izao vao fantatra mazava sy ananana sary ny endrik’ilay jiolahy raindahiny antsoina hoe Del Kely. Nampiasa fiara mifonovy ny zandary nandritra ny fifandonana tamin’ireo dahalo ary nanamy tamin’izao fiatrehana tamin-dry Del Kely sy ny namany izao koa ireo vondrona zandary avy ao amin’ny hery vonjitaitra (FIGN) mampandry tany ao Andriamena.

Jean Claude

Del Kely: Dahalo atao hazalambo

Manao antso avo amintsika mpiray tanindrazana mba hanome vaovao ahitana mpitandro filaminana ahitana an-d:
– Rakotoarivelo Fanomezantsoa Atlas, dit Del Kely.
– Teraka ny 2 janoary 1984 tao Mahitsy Ambohidratrimo.
– CIN 103 211 004 971, natao ny 10 jolay 2002 tao Ambohidratrimo.

Marihina fa mety efa manana kara-panondrom-pirenena sandoka hafa izy fa hita araka ity sary fanehoana ity ny endriny.

Ny toerana nahitana azy farany, tao Antanifotsy/Mahatsinjo/Maevatanàna, ny 6 aogositra 2019.

Raha misy vaovao mahakasika ity filazana ity, antsoy ny laharana +261 34 14 005 23 na +261 34 14 007 31 na 119 Telma na 305 Orange.
Hisy valisoa ho an’izay manome vaovao matotra sy marina.

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique