
Anisan’ny dingana hanajan’ny Base Toliara koa ny fifanarahana amin’ny fokonolona, hamindrana ny fasana tafiditra ao anatin’ny faritra iasan’ny orinasa. Miisa 96 izy ireo any amin’ny kaominina dimy. Nampifanarahana ny lalàna nentin-drazana malagasy sy ny lalàna velona ny fomba sy kolontsaina any an-toerana. Ao anatin’ny vaomiera misahana izany ny solontenam-pokonolona, ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, ny fitantanam-paritry ny Kolontsaina sy ny vakoka, ny Harena an-kibon’ny tany, ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, ny Fahasalamana, ny distrika Toliara II, ny olobe, ny mpikaroka ary ny orinasa Base Toliara.
Hanorenana fasana vaovao ny tompom-pasana, sady sandaina vola. Miisa 16 ny fasana haorina voalohany ary ho vita amin’ny septambra 2019 ary hitohy indray ho an’ny andiany manaraka.
Les commentaires sont fermées.