Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Hotokanana androany ny Lalana Pr Zafy Albert, eny Ivandry. Noho izany, ho tapaka ny fifamoivoizana manomboka eo anoloan’ny LTP Alarobia hatreo amin’ny sampanan-dalana Ranaivo Paul.

Hatramin’ny volana oktobra kosa no tsy azo ifamezivezen’ny fiara eny Besarety, manomboka eo amin’ny garazy David hatreny amin’ny hotely La Rotonde. Hamboarina tanteraka ny lalana, hoesorina ny “pavé » ary hatao “béton”. Havadika ao ambany arabe ihany koa ny lakan-drano.

Miditra amin’ny fanatanterahana vaksiny faobe sady maimaimpoana ho an’ny saka sy ny alike, hiadiana amin’ny haromontana ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Ny 22 jolay hatramin’ny 4 aogositra izany ho an’Analamanga ary ny 21 aogositra hatramin’ny 4 septambra ho an’Alaotra Mangoro.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique