Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hosodoko: hisy ny mozea Raparivo R.R

Hosodoko: hisy ny mozea Raparivo R.R

Iray amin’ireo andrarezina nanamarika ny tantaran’ny hosodoko malagasy Raparivo R.R sy ny sanganasany. Volana maromaro lasa izay no nindaosin’ny fahafatesana izy. Araka ny tafa nifanaovana tamin’i Tiana Raparivo, zanany sady mpanao hosodoko ihany koa : « efa mikarakara ny tantarany sy ny mozea momba azy izahay ary heverina fa ho vonona afaka herintaona izany ». Ankoatra izay, « hisy hetsika atao koa amin’ny volana novambra hanamarihana ny herintaona nahafantesany, izay hiarahana amin’ny mpanao hosodoko namana », hoy hatrany i Tiana Raparivo.

Marihina fa manatanteraka fampirantiana ao amin’ny AFT Andavamamba izy, hatramin’ny 27 jolay. « Tena zava-dehibe amin’ny hetsika tahaka izao ny fampahafantarana ny toerana misy ahy amin’izao tsy maha eo intsony ny raiko izao », hoy i Tiana Raparivo.

HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique