Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tenisy ambony latabatra: nandrombaka medaly 2 ny Malagasy

Taranja anisan’ny nampamiratra ny solontena Malagasy, miatrika ny lalaon’ny nosy aty Maorisy, ny taranja tenisy ambony latabatra. Medaly volafotsy iray sy alimo iray hatreto no norombahan’ny Malagasy, teo amin’ny fifaninanana isam-bondrona lahy sy vavy. Niditra an-tsehatra ny alakamisy 20 jolay lasa teo ireo atleta Malagasy, teo amin’ny sokajy isam-bondrona, tao amin’ny toeram-piofanana nasionaly ny tenisy ambony latabatra, tao Beau Bassin Maorisy. Ny ekipan’ny Maldives no nifanandrina voalohany tamin’ny ekipa lehilahy Malagasy, izay nolavointsika tamin’ny isa 3 noho 0. Mbola namiratra ihany koa ireto mpiangaly ny tenisy ambony latabatra Malagasy, lehilahy, nanoloana an-dry zareo Maorisiana, mpampiantrano, ny alahady teo.

Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, niady ny laharana fahatelo nanoloana ny Renioney ihany koa, omaly, ny mpilalao Malagasy, sokajy vehivavy. Tamin’izany no nandavoantsika ireto mpilalaon’ny La Réunion ireto, tamin’ny isa 3 noho 2.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.