Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rehefa avy nitety an’i Eoropa: hanolotra seho tokana eto ry Malagasy guitar masters

Rehefa avy nitety an’i Eoropa: hanolotra seho tokana eto ry Malagasy guitar masters

Sambany hiaka-tsehatra eto an-tanindrazana ny Malagasy guitar masters, hatramin’ny niandohan’ity taona ity. Ny alakamisy 25 jolay izao ny fotoana, etsy amin’ny Piment café etsy Behoririka, ao anatin’ny « cabaret », araka ny hetsika ahafantarana ity toerana ity. Azo lazaina ho miavaka amin’izay fampisehoana sy seho mozika, ny amin’io faran’ny herinandro io, ity.

Tsy fahita matetika eto an-tanindrazana ny tarika, izay efa manana ny lazany any ivelany any sy mitety faritra maro. Araka ny fantatra, miisa 12 eo ho eo ny toerana notsidihin’izy ireo sy nanaovany fampisehoana, nandritra iny volana mey sy volana jona iny. Tsy nataon’izy ireo diso anjara ny mpankafy eto an-toerana, mandritra ny fandalovan’izy ireo eto.

Raha tsiahivina, tarika ahitana mpikambana telo, samy havanana sy manana ny maha izy azy eo amin’ny fitendrena gitara, ny Malagasy guitar masters. Tsy iza izany fa i Teta, i Chrysanto Zama ary i Rija Randrianivosoa, izay nisolo an’i Joël Rabesolo. Ankoatra ny fitetezana firenena, efa namoaka rakikira, mitondra ny lohateny hoe « Volo hazo », ny tarika.

Ny mampiavaka azy ireo, ny fahaizan’ny tsirairay mamoaka ny talentany sy mametraka ny « soniany », izay sady mifameno. Eo koa ny fahaizan’izy ireo mampifanaraka ny mozika malagasy amin’ny fironana ankehitriny. Fotoana iray ankafizana izany rehetra izany io amin’ny alakamisy io, izay inoana fa hahaliana ny maro.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.