Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Chan 2020»: nanome 300 000 Ar ho an’ny Barea ny ligin’i Bongolava

Kitra – «Chan 2020»: nanome 300 000 Ar ho an’ny Barea ny ligin’i Bongolava

Niatrika lalao fitsapana, nikatrohana tamin’ny ekipa voafantin’i Bongolava, tany amin’ny kianja Tsiroanomandidy, ny alahady lasa teo, ny Barean’i Madagasikara, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina na ny “Chan 2020”. Tamin’izany no nanoloran’ny ligin’i Tsiroanomandidy lelavola 300 000 Ar ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, hanampiana azy ireo hiatrehana ity fifaninanana ity.

Raha hiverenana kosa ny lalaon’ny roa tonta, resin’ny Barea, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0, i Bongolava.

Mila fanamboarana ny famonoam-baolina ho an’ny Barea, izay mbola lesoka ho an’ireo lohalaharana. Ankoatra izay, tokony hamafisina ihany koa ny fiarovantena, izay somary goragora. Tsiahivina fa hiatrika an’i Mozambika ny Barea, ny asabotsy 27 jolay ho avy izao, etsy Mahamasina, eo amin’ny lalao mandroso, amin’ny fifanintsanana ho an’ity “Chan 2020” ity.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.