Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Afrikanina: hidona amin’ny Pamplemousse SC ny Fosa Jr; tafita amin’ny ampaha-16-n-dalana ny Cnaps

Kitra – Afrikanina: hidona amin’ny Pamplemousse SC ny Fosa Jr; tafita amin’ny ampaha-16-n-dalana ny Cnaps

Vita ny antsapaka, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka sy ny amboaran’i Afrika, ho an’ny klioba, taranja baolina kitra. Hidona amin’ny ekipa tompondakan’i Maorisy ny Fosa Jr. Tsy miatrika ny savaranonando kosa ny Cnaps Sport.

Hifanehatra amin’ny Fosa Jr Boeny, eo amin’ny fihodinana voalohany, ny ekipan’ny Pamplemousses SC avy atsy Maorisy, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra. Hampiantrano ny lalao mandroso ny Fosa Jr, ny 9 na ny 10 na ny 11 aogositra, ary hanafika atsy Maorisy kosa eo amin’ny fihaonana miverina, ny 23 na 24 na 25 aogositra ho avy izao.

Ekipa fantatra anarana fotsiny, saingy tsy mbola misy mahalala ny fomba filalaony. Araka ny vaovao, hita tao amin’ny tambajotran-tserasera, milalao ao amin’ity Pamplemousses SC ity Rabemananjara Praxis. Na izany aza, heverina fa mety tsy hampanano sarotra ny Fosa Jr ny handingana an-dry zareo Maorisianina, izay ambany lavitra raha mitaha amin’ny zava-bitan’ny Fosa Jr. Ny hany tombony ho an’ny Pamplemousses SC, izy ireo handray ny lalao miverina.

Raha tafita eo ny Fosa Jr, hidona avy hatrany amin’ny Tout Puissant Mazembe avy any amin’ny RD Kongo, eo amin’ny lalao ampaha-16-n-dalana. Hotanterahina ny 13, ny 14, ny 15 septambra ny lalao mandroso ka eto Madagasikara ny hanatanterahana izany. Ny 27, ny 28, ny 29 septambra kosa ny fihaonana miverina.

Tafita amin’ny fihodinana faharoa

Miaina kely kosa ny Cnaps Sport Itasy, eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona satria tsy miatrika ny lalao savaranonando izy ireo fa miandry avy hatrany eo amin’ny fihodinana faharoa, na ny ampaha-16-n-dalana.

Hikatroka amin’izay tafavoaka eo amin’ny TS Galaxy avy atsy Afrika Atsimo sy ny ST Louis Seychelles, ekipa nilalaovan-dRadafison Jimmy (Kundé), kosa ny Cnaps Sport, eo amin’izany dingana izany. Hivahiny an-tanin’olona ny Cnaps Sport, eo amin’ny lalao mandroso, hatao ny 13 – 15 septambra, ary eto Madagasikara ny fihaonana miverina, ny 27 – 29 septambra. Heverin’ny rehetra fa mety ho ry zareo Afrikanina Tatsimo no hikatroka amin’ny Cnaps Sport, amin’izany.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.