Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Hiran’ny omaly”: hiverenana ireo sanganasan’i Naly Rakotofiringa

“Hiran’ny omaly”: hiverenana ireo sanganasan’i Naly Rakotofiringa

Ny kanto, mitoetra ary ny mpanakanto, tsy mba maty! Voaporofo hatrany izany, isaky ny misy ny hetsika famerenana ireo sy “kalon’ny fahiny”. 40 taona eo ho eo mantsy ny nahalasanan’i Naly Rakotofiringa kanefa mbola mitoetra ary misy mamelona hatrany ireo sanganasany. Taorian’ireo andiam-pampisehoana “Ny omaly”, “Ny hiranay fahiny”, sns, hisy indray ny seho hanasongadinana ny sanganasan’i Naly Rakotofiringa, ny alahady 28 jolay izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro etsy amin’ny CCEsca Antanimena.
Ireo nanao ny seho teo aloha ihany no hamelona izany. Anisan’ireny ry Zôzô sy ry Salomon izay zokiny indrindra mitarika ireo mpanakanto tanora. Eo koa ry Gothlieb, i Luk, ary i Lilie, izay efa mahafolaka tsara ny sanganasan’ity mpamorona ny “hiran’ny omaly” anisan’ny nalaza indrindra ity. Fantatra ihany koa fa hanampy azy ireo i Mirana. Ito farany izay nisongadina tamin’ny famerenana ireo kalon’ny fahiny, nialoha ny nananganany ny tarika R’Ikala Vazo.
“Nisongadina tamin’ny teatra ary nanan-talenta manokana tamin’ny fitendrena piano i Naly Rakotofiringa. Nifameno izy sy i Jeanne Naly ka nampisongadina ny troupe Naly izay lasa Naly sy ny tariny taty aoriana”, hoy ny nambaran’i Salomon, anisan’ny nisongadina tamin’ny feo tao anatin’ny Naly sy ny tariny rahateo.
Anisan’ny nampiavaka an’i Naly Rakotofiringa tokoa ny nitondrany fanovana eo amin’ny firafitry ny teatra sy ny hira teatraly. Taty aoriana, mbola izy ihany no nitondra voalohany ny “gala de chants”, nampisongadinana kokoa ny hira tamin’ny teatra. Tafita vetivety, avy eo nitety vanim-potoana maro izany, na voasokajy ho “kalon’ny fahiny” aza. Raha hira, manana maro i Naly Rakotofiringa ary tsy vita mandritra ny fampisehoana iray mihitsy izany. Ampahany ihany ny halahatr’ireto mpanakanto ireto kanefa azo antoka fa mbola hisy ny tohiny hiarahana amin’ny Gasy Events, mpikarakara.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.