Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Atletisma: medaly volamena roa sy volafotsy efatra ny azon’ny Malagasy, omaly

Atletisma: medaly volamena roa sy volafotsy efatra ny azon’ny Malagasy, omaly

Niditra an-tsehatra, nanomboka omaly, tao amin’ny kianjan’ny Germain Commarmond Bambou, eto Maorisy, ny taranja atletisma, ao anatin’ny andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy”. Azo lazaina ho tsara ihany ny vokatra ho an’ny Malagasy satria nahazo medaly volamena miisa roa sy volafotsy miisa efatra ny efa eo am-pelatanan’ireo atleta nifaninana.

Norombahan’i Molenjanahary Njarasoa Claudine (12.02) ny fandresena teo amin’ny famaranana, 100 metatra vehivavy. Mbola isika Malagasy ihany koa no nitana ny laharana faharoa, teo amin’ity sokajy ity, tamin’ny alalan’i Embony Elodie Vanessa (12.22). Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa nahazo ny medaly volamena , i Mampitroatsy (30.37.88), teo amin’ny 10 000 metatra ary Andriamparany Fenosoa ny teo amin’ny faharoa (31.08.28). Ankoatra izay, medaly volafotsy avokoa ny norombahin’ny atleta malagasy, teo amin’ny famaranana, 1 500 metatra sy 110 metatra misy fefy, sokajy lehilahy hatrany. Niaro ny voninahi-pirenena nandritra ireo fifaninanana roa ireo Randrianantenaina Soazara Lahivokatse (3.56.63) sy i Mananjara Be Ibrhim (14.78).

Mi.Raz

 

 

 

Vokatra omaly

Famaranana 100 m vehivavy:

1-Molenjanahary Njarasoa Claudine: 12.02

2-Embony Elodie Vanessa: 12.22

Famaranana 10 000 m lehilahy:

1-Mampitroatsy: 30.37.88

2-Andriamparany Fenosoa: 31.08.28

Famaranana 1 500 m lehilahy:

1-Dookun Mohammed (Mau): 3.56.63

2-Randrianantenaina Soazara Lahivokatse: 3.56.89

Famaranana 110 m “haies” lehilahy:

1-Lararaudeuse Jeremie (Mau): 14.63

2-Mananjara Be Ibrahim: 14.78

 

Les commentaires sont fermées.