Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lemaka Bas Mangoky: nomena hisafidy karazam-bary volena ny tantsaha

Lemaka Bas Mangoky: nomena hisafidy karazam-bary volena ny tantsaha

Ifantohana manokana miaraka amin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad) ny fampiroboroboana ny fambolena ao amin’ny lemaka Bas Mangoky. Ankoatra ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, nentina any an-toerana ny vokatry ny fikarohana karazam-bary.

Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Priaso (1) ny fikarohana karazam-bary mety any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Ny herinandro lasa teo, niarahana tamin’ny tantsaha mpamboly amin’ny lemaka Bas Mangoky, ny vokatry ny fikarohana. Nisy karazam-bary 18, ka 14 ny avy amin’ny Africarice ary efatra ny avy amin’ny Fofifa. Nomena sehatra malalaka hisafidy amin’izay mety aminy na PVS (2) ny tantsaha, hanatsara kokoa ny vokatra raha oharina amin’ny efa fanao tany aloha.

Raha eo anivon’ny Africarice, firenena maro aty Afrika ny efa nitondrana izany nanomboka tamin’ny fanaovana andrana, misy maharitra telo taona, tonga amin’ny fambolena karazam-bary mifanaraka amin’ny toe-tany sy ny toetr’andro, hatramin’ny fomba amam-panaon’ny mpamboly. Toy izany koa ny atao any amin’ny lemaka Bas Mangoky.

Tonga any an-toerana ny teknisianina avy ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena nampiofana sy nampahalala ireo tantsaha momba ireo karazam-bary ireo. Momba izay safidy izay indrindra, nampahalalana azy ireo ny dingana natao momba ny fikarohana mialoha izao fanaparihana azy izao.

Atao izay hahamora ny fanapariahana sy ny handraisan’ny tantsaha azy, koa raha hita ny fahombiazana amin’ny taom-pambolena fampiharana azy, hatao izay hanatevenana azy hahazoana masomboly vaovao ho an’ny taom-pambolena manaraka. Hampahafantarana ny sampam-pikarohana ihany koa izay karazam-bary nahitana fahombiazana teo amin’ny vokatra.

Tanjona ny hahazoam-bokatra 10 t/ha

Tanjona ny hahazoam-bokatra 10 t/ha, efa vitan’ny tany Afrikanina sasany (Gabon, ohatra), any amin’ny lemaka Bas Mangoky, manomboka amin’ny fanajariana ireo fotodrafitrasa, tonga amin’izao teknika vaovao izao. Fianakaviana iray alina mahery ny mahita tombontsoa any an-toerana. Tohanan’ny Bad amin’ny famatsiam-bola ny lemaka Bas Mangoky nefa tsy any ihany ny faritra mpamboly vary eto amin’ny Nosy mila tosika amin’ny lafiny maro. Ny fanjakana koa moa, zatra miandry famatsiam-bola avy any ivelany.

 

R.Mathieu

 

Piaso (1) : Projet de réhabilitation des infrastructures agricoles de la région Sud-Ouest

PVS (2) : Sélection variétale participative

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique