Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vita ny fandidiana: salama tsara i Eric Fou Hehy

Vita ny fandidiana: salama tsara i Eric Fou Hehy

Omaly tolakandro no re mivantana tao amin’ny RDJ 96.6Mhz ny vaovao ! Tontosa soa aman-tsara ny fandidiana an’i Eric Fou Hehy tany Inde. Nanamafy izany rahateo izy raha nanontanian’ny olona avy aty Madagasikara mivantana tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera : « Eric ihany ity e ! Eric efa olom-baovao… Salama tsara ! ». Raha ny fanazavany, nosoloina ny voa ary  natao grefy ny aty. Ireo ny fandidiana natao taminy. Mbola mila fanaraha-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-pahasalamany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo azy, noho izany, mbola hijanona volana vitsivitsy any an-toerana i Eric Fou Hehy. Nanamafy izany rahateo izy. Nambaran’i Eric fa tsara ny fikarakarana rehetra. Nahafinaritra avokoa na ny fandraisana na ny « administration » na ny mpitsabo any an-toerana.

Raha tsiahivina, ny volana jolay 2018 no niala teto an-tanindrazana nihazo an’i Inde i Eric Fou Hehy rehefa tojo tsy fahasalama (insuffisance rénale) ka nilaina fitsaboana ivelan’i Madagasikara.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.