Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Teatra: hanamarika ny 90 taony ny tropy Jeannette

Teatra: hanamarika ny 90 taony ny tropy Jeannette

Iray amin’ireo hetsika hanamarihan’ny tropy Jeannette ny faha-90 taony ny filalaovana ilay tantara « Ny Voromailala » nosoratan’i Rosa Beby ravahin’ny hiran’Andrianary Ratianarivo, ny 9 aogositra izao. Tovovavy teren’ny rainy hanambady ny tsy safidiny… Ho tanteraka ve ny mariazy? Handresy ve ny fitiavan’ilay tovovavy ny olon-tiany ka haharesy lahatra an-drainy izy? Ny fijerena io tantara io no hamantarana izay hiseho marina sy ny valin’ireo fanontaniana ireo, raha ny fanazavan’i Mbato Ravaloson tale artistikan’ny tropy Jeannette sady handrindra an-tsehatra rahateo ny filalaovana ny « Ny Voromailala ».

Raha tsiahivina, andiany fahatelo B, ankehitriny ity tropy teatraly manana ny maha izy azy ity.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.