Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Feno ny fepetra…

Feno ny fepetra…

Manomboka feno tanteraka  ny fepetra ahafahan’ny firenena  miroso. Efa tafapetraka avokoa ireo Andrimpanjakana rehetra. Anisan’izany ny Antenimierampirenena vao nijoro farany teo. Manana ny maro anisa aoriany ny fitondram-panjakana, ankoatra ny hijoroan’ny  governemanta, afaka andro vitsy.

 Efa eo an-tanan’ny fitondrana avokoa ny fitaovana sy ny olona ary ny hoenti-manana  miaraka amin’ny vina  nampanantenaina. Efa nankatoavin’ny fianakaviambe  iraisam-pirenena ary  nahazo tohana sy famatsiam-bola, izao fitondrana izao. Tsy tokony  hisy  intsony ny fialan-tsiny ao anatin’izany  rehetra izany. Na koa fanilihana andraikitra  tahaka ny nataon’ny  teo aloha, fony  izy teo amin’ny fitondrana. Atombohy amin’izay àry  ny asa vavany avy  hatrany, hiantraika any amin’ny ativilanin’ny sarambabem-bahoaka  sy  ny mponina. Esory amin’ny toerany ary aza andeferana ireo tsy mahavita  ny iraka  sy  ny andraikitra ankinina aminy. Aleo hiavaka ny  vary sy ny tsiparifary na koa ireo zatra ny lalan-dririnina. Tsy tokony  hisy toerana  ho an’ny misalasala intsony  izao.

Farito ary ataovy mazava  tsara ny lalan-kombana iaraha-mjery sy manombana. Aiza ho aiza  izao isika amin’ny lamasinina haingam-pandeha ? Inona ny  mbola misakana na koa manahirana ?

  Fotoana izao hanatanterahana  ireo nambara  sy notanisaina, araka ilay fiteny nambara fa asa izy ity fa tsy kabary. Ahoana  ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy filaminana manoloana  ireo fitaovana maro samihafa efa azon’ny mpitandro filaminana ?  Ahoana ihany ity delestazy miverimberina mahazo  laka isanandro  tato  ho  ato ity ? Miantraika mivantana amin’ny sosialim-bahoaka amin’ny ankapobeny mihitsy  :  fiakaran’ny vidim-piainana, ny lafiny fitsaboana  sy ny fanadiovana izany, indrindra  eny anivon’ny hopitaly. Ny olan’ny fananan-tany tsy ahitana mangirana hatramin’izao. Ny mbola fihanaky ny kolikoly sy ny fomba hampihenana  izany amin’ny sehatra samihafa eto amin’ny firenena.

   Ampahany  ihany  ireo. Tsy vitan’ny  fisehosehoana  fotsiny na  resabe intsony  izao fa  mitaky andraikitra amin’ny rehetra.  Tokony  hanomboka izany ary ho fitaratra ny  mpitantana isan’ambaratongany… Roso toy tsa mipody koa…  Efa feno  tanteraka ny fepetra  ka  tsy tokony  hisy  intsony ny olana  na fialana bala ?

Synèse R.     

 

Les commentaires sont fermées.