Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Nisy naka an-keriny indray koa ny lehilahy iray 40 taona tany Andriamena Tsaratanana, afakomaly alina. Voalazan’ny fampitam-baovao fa tantsaha sy mpiompy ny asan’ity raim-pianakaviana ity. Hatramin’izao, tsy mbola nisy fitakiana vola nataon’ireo jiolahy tamin’ny fianakaviany. Fantatra fa efa nisy naka an-keriny toy izao koa ny ray aman-drenin’ity raim-pianakaviana ity, ny volana janoary 2019 lasa teo. Ny nampivarahontsana tamin’ity fankana an-keriny ny ray aman-dreniny ity dia ny taolam-balon’izy mivady sisa hitan’ny fianakaviana, tapa-bolana taorian’ny fakana an-keriny azy ireo. Mitaintaina mafy, araka izany, ny fianakaviany.

Nidoboka am-ponja ao Antalaha rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ny zoma teo ireo dahalo tompon’antoka tamin’ny fanafihana sy fanakanan-dalana any amin’ny faritra Sava. Ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ampanefena Vohémar no nahasambotra azy ireo. avy nanafika fiara 4×4 iray sendra nandalo tao Ankijanibe Vohémar ry zalahy ka lasan’izy ireo tamin’izany ny vola 50 tapitrisa Ar. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny zandary ka tratra tamin’io fotoana io ihany ry zalahy niampy ny olona iray mpiray tsikombakomba amin’izy ireo.

 

 

Les commentaires sont fermées.