Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpianatra avy any Sambirano: manolotra fampisehoana ho fanatanterahana ny asa sosialy

Mpianatra avy any Sambirano: manolotra fampisehoana ho fanatanterahana ny asa sosialy

« Antom-pisian’ny fikambanan’ny mpianatra avy any Ambanja (AESUA) ny fifanohanana, indrindra eo amin’ny  lafiny fianarana. Tanjona ny hahatafita ny tsirairay amin’izay lalam-piofanana nofidiny », hoy i Ludovic Odon, filohan’ity fikambanana ity. Tsy vitsy ny misedra olana, mila fanampiana. Izay indrindra ny nahatonga ny biraon’ny fikambanana hikarakara fampisehoana, rahampitso hariva, eny amin’ny Fast Food eny Ankatso.

Mpanakanto hanafana ny lanonana amin’ity asabotsy ity i Smaven. “ Soiree m’feeling” ny lohateny nampisaloran’ny mpikarakara ny hetsika. Nambaran’i Ludovic Odon,  filohan’ny fikambanana  fa  tena tanjona amin’io ny hampiseho firaisankina eo amin’ny samy mpikambana sy hitadiavam-bola hoentina manatanteraka asa sosialy  ho fanampiana ny mpianatra tojo fahasahiranana. Hampahafantarina ny rehetra, mandritra io fotoana io, ny birao vaovaon’ny AESUA.

Hanamarika ity lanonana ity koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo nahavita be teo anivon’ny fikambanana. Hanelanelana ny fampisehoana ny fanentanana, iarahana amin’ny DJ.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.