Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lalaon’ny Nosy (JIOI 2019) – Baolina kitra: nisaraka ady sahala 1 sy 1 i Maorisy sy i Seychelles

Ny baolina kitra no nanokafana ny andiany faha-10 amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2019), tanterahina atsy amin’ny Nosy Maorisy. Fihaonana, notanterahina,omaly alakamisy tao amin’ny kianja Port Louis. Nisaraka ady sahala, 1 sy 1 i Maorisy, mpampiantrano sy i Seychelles, ho an’ny sokajy “A”, misy ny Barea de Madagascar. Vokatra tsara ho an’ny ekipam-pirenena malagasy aloha, hatreto.

Ry zareo Maorisianina izay hifandona amin’ny Barea, eo amin’ny andro faharoa, ny alatsinainy ho avy izao. Mila maka fandresena ny Malagasy, mba ho tsara toerana hiakarana amin’ny manasa-dalana.

Anio zoma 19 jolay kosa vao tena hanomboka amin’ny fomba ofisialy, ny lalao ka hisy ny filaharana sy ny lanonana hanamarihana izany fisokafan’ny lalaon’ny Nosy izany. Efa any an-toerana avokoa ny delegasiona Malagasy, handray anjara amin’ity fifaninanana, ity. Tsiahivina fa anisan’ny taranja hiadian’ny Malagasy ny medaly volamena, amin’ity ny  hazakazaka am-bisikilety, ny baolina kitra, ny volley-ball, ny lomano, ny voile, ny atletisma, ny badminton, ny baolina lavalava, ny basikety, ny beach-volley, ny ady totohondry, ny fibatana fonjamby, ny judo ary ny tenisy.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.