Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manatsara ny fihariana: « Nampiova toe-tsaina ny fisian’ny Voamami »

Manatsara ny fihariana: « Nampiova toe-tsaina ny fisian’ny Voamami »

Nampiova ny toe-tsain’ny mpisitraka ny fidirana ao anatin’ny Vondron’olona an-toerana miara-manao tahiry sy mifampindram-bola (Voamamo) izay tafiditra amin’ny sehatra ifampivoarana sy ifampitaizana ao anatin’ny tetikasa Asa avotra mirindra miaraka amin’ny Fid. Nahazo ny loka voalohany ny Voamami Faneva ao Sahanamalona Ambany, kaominina Ambohitompoina, distrika Antanifotsy, naorin’ny mpisitraka 24. Tsara tantana ny vola ary afaka nindrana avokoa ny mpikambana hanatsarany ny fidiram-bolany. “Fanabeazana teo amin’ny toe-tsaina ny tombontsoa azo voalohany”, hoy ny filohan’ny Voamami Faneva, Razafimaharatra. 2 000 Ar ka hatramin’ny 10 000 Ar ny vola azon’ny mpisitraka arotsaka ao anatin’ny kitapo iombonana. 10% kosa ny zanabola takina amin’ny mpindrana ary ao natin’ny telo volana ny tokony hamerenana izany. 12 volana aty aoriana vao zaraina ny totalim-bola natao tahiry tao anatin’ny kitapo ho an’ny mpikambana rehetra.

Tsapa fa nahazo tombontsoa tamin’ny fisian’ny kitapo iraisana ny mpisitraka satria nisy ny vola azo nindramina tamin’ny fotoana tena nilana azy entina hanitarana ny fihariana samihafa (varotra, fambolena…). Manana karine ny mpisitraka tsirairay hanaraha-maso ny fandrotsahana ny vola sy ny findramana.

 

Vonjy Andrianjaka

Les commentaires sont fermées.