
Fihetsika nampihetsi-po ny nataon’Andrimirado Arohasina (Dax), amin’ireo mpilalao tao amin’ny Barean’i Madagasikara, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natokana ho an’ireo tsy matihanina na ny “Chan 2019”. Tonga teny amin’ny kianja Carion Manjakandriana, omaly, ny tovolahy ary nanome lelavola 1 tapitrisa Ar ho fanampiana azy ireo hiatrehany ity fifaninanana ity. “Mirary anareo hahavita be ho reharehan’i Madagasikara ka ho tafita any amin’ny dingana famaranana”, hoy izy. Nahafaly ireo mpilalao sy ny mpanazatra ao amin’ny Barean’i Madagasikara izany izay tsy nisy nanampo izao fihetsika nataon’i Dax izao.
Tsiahivina fa hiatrika ny fifanintsanana hifandonana amin’i Mozambika amin’ity “Chan” ity ny Barea, ny asabotsy 27 jolay ho avy izao, etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ary ny 3 aogositra ny fihaonana miverina any Maputo.
Mpilalao tao amin’ny Fosa Jr i Dax, ary efa milalao ao amin’ny Kaiser Chiefs, Afrika atsimo, ankehitriny. Nanatevina ny Barean’i Madagasikara niatrika ny “Can 2019”, tany Egypta teo, ny tovolahy.
Torcelin
Les commentaires sont fermées.