Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitaterana: nonerana ny vidin-tsoliky ny mpitatitra

Fitaterana: nonerana ny vidin-tsoliky ny mpitatitra

Nisitraka ny fanonerana ny vidin-tsolika ny mpitatitra maherin’ny 7 000 manerana ny Nosy taorian’ny nidinan’ny vidin’io angovo io. Nahazo izany ireo mpitatitra miisa 5 800 avy eto Antananarivo. “Nozaraina amin’ny mpitatitra tsirairay izany fa tsy eny anivon’ny kaoperativa. Ny nahafeno ny fepetra sy ny antontan-taratasy ny volana novambra 2017 ihany anefa ny nisitraka izany fanonerana avy amin’ny minisiteran’ny Fitaterana izany. Anjaranay ny mitsinjara izany”, hoy ny eo anivon’ny Antokon-draharahan’ny fitaterana an-tanety (ATT), Reribake Jeannot. Ny eo anivon’ny minisitera ihany no mahalala ny hanohizana ny  fanonerana na tsia. Efa tany amin’ny taona 2018 no tsy nisy sy tsy nitohy intsony izany. Efa nampiakatra saran-dalana rahateo ireo mpitatitra ka mety tsy hisy intsony izany. Efa nisy fidinany koa ny vidin’ny solika. Nambaran’ny mpitatitra anefa fa tsy mieritreritra ny hampidina ny saran-dalana ho 400 Ar izy ireo.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.