Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antenimierampirenena: hikarama telo tapitrisa ariary isam-bolana ny depiote

Antenimierampirenena: hikarama telo tapitrisa ariary isam-bolana ny depiote

Natsinkafon’ny Sefafi tamin’ny fanambarana ny volana avrily teo fa tokony hoferana ny tombontsoa tsy hita noanoa eny amin’ny Antenimiera, ankoatra ireo takontakonana any. Voatanisa ao anatin’izany fa mandray karama telo  tapitrisa ariary isam-bolana ireo depiote  tsotra. Mandray ambonin’izany ireo eo anivon’ny birao maharitra… 

 « Handray karama 3 000 000 Ar isam-bolana ny depiote tsotra, miampy tambin-karama 40 000 Ar isan’andro mandritra ny fotoam-pivoriana. Manampy izany ny 3 000 000 Ar isam-bolana ho an’ny solika ary 200 000 Ar hatokana ho an’ny fahana finday”, hoy ny Sefafi. Ankoatra izany, ireo mpanampy ny depiote, manana dimy avy ny solombavambahoaka tsirairay. Mbola hafa ny karaman’ireo mpikambana  eo anivon’ny  birao maharitry ny Antenimiera, ahitana ny filoha sy ny filoha lefitra ary  ny filoham-baomiera sy ny kestora…

Fitakiana fiara 4×4 

Manampy izany, 65 000 Ar isan’andro ny saran’ny hotely raha mamita iraka eto an-toerana izy ireo. Resaka hafa indray koa raha hitaky fiara tsy mataho-dalana (4×4) araka ny nambara fa fitaovana hanatanterahana ny asany sy ny fampanantenana nataony tamin’ny fampielezan-kevitra izy ireo. Mazava ny nambaran’ny Sefafi manoloana ireo. “Tokony hoferana mazava ny fitambaran’ny tombontsoa omena ny paralemantera, mialoha ny fifidianana ary  mandritra ny fe-potoam-piasany. Tsy azo ekena ary maloto raha ny olom-boafidy ihany ny mametra ny vola omena azy amin’ny ankapobeny”, hoy ihany izy ireo.

Tokony ho fantatry ny vahoaka ny karaman’ny olom-boafidy

Etsy andaniny, nambaran’ny Transperency International-IM ny volana marsa 2017 fa tokony ho fantatra ny karaman’ny olom-boafidy. “Tsotra ny tanjona : ahoana ny fahafantaran’ny olom-pirenena tsotra ny karaman’ny olom-boafidy ? Anisan’izany ny filoham-pirenena, ny solombavambahoaka, ny loholona, ny ben’ny Tanàna”, hoy izy ireo tamin’izany.

Politikan’ny fitsitsiana

Mandrisika ny fanjakana hampahafantatra ny karaman’ny olom-panjakana sy ny olom-boafidy amin’ny fakan-kevitra nataony ny Transperency  International-IM.

Araka izany, tokony hampandinika sy hampieritreritra ireo voalaza ireo raha tena hiroso amin’ny fanovana ny firenena ny mpitondra. Efa nisafidy ny hametraka ny politikan’ny fitsitsiana.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.