Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankorondrano: miparitaka ny fako…

Ankorondrano: miparitaka ny fako…

Miparitaka ny fako etsy Ankorondrano sy ny manodidina ary ahina hiteraka aretina sy mikraoba ho an’ny mponina. Nidina an-tsehatra nanadio faobe ny ekipa teknika avy ao amin’ny boriborintany III, omaly. Nodiovina tamin’izany ny zaridaina Antanimena hatreny amin’ny Jesosy Mamonjy. Ny tetsy Ambohitrakely nihazo an’Ampahibe ary nifarana hatrany Antsakaviro. Niaraka nientana nanadio ny mpanadio rehetra isaky ny faritra rehetra. Teo ny famafana ny lalana, ny fandraofana ny fako, ny fanesorana ireo ahitra … Anisan’ny miteraka ny loto eny Antanimena mihazo an’Ankorondrano ny fanasana fiara amin’iny faritra iny ka tokony hofoanana, raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra. Manimba lalana ihany koa. Manampy izany ny daban-jaoridira manoloana ny Esca midina an’Ankorondrano iny, miteraka fiparitahana fako anatin’ny lalana sy ny faritra manodidina ka tokony halain’ny Samva matetika ny fako, hisorohana ny fiparitahana.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.