Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Lalaon’ny Nosy 2019”: nanome 5 tapitrisa Ar ho an’ny Barea ny minisitra Naina

“Lalaon’ny Nosy 2019”: nanome 5 tapitrisa Ar ho an’ny Barea ny minisitra Naina

Mialoha ny hiaingan’ny Barean’i Madagasikara, hiatrika ny “Lalaon’ny Nosy”, atsy Maorisy, noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, mpiahy ny baolina kitra, Andriantsitohaina Naina, niaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny “comité de normalization”, teny amin’ny birao fiasany eny Anosy, ny alatsinainy lasa teo, ireo mpilalao rehetra. Tamin’izany ny nanoloran’ny minisitra lelavola 5 tapitrisa Ar ho azy ireo. Tanjona ny hampisy faharisihana ho an’ireo mpilalao. “Andraikitra goavana ny eo an-tsorokareo. Mila manome vokatra tsara ny tsirairay», hoy ny minisitra, tamin’ireo mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara, hiezaka hanao izay azony atao hanohanana ny Barean’i Madagasika. Tsiahivina fa anisan’izany ny ho fampitaovana ireo mpilalao. Miteraka resaka maro mantsy ny fitafian’ny Barean’i Madagasikara hiatrika ity « Lalaon’ny Nosy 2019 » ity. Nijery ny fanazarantenan’ny Barea, tetsy Mahamasina, omaly, ny minisitra mpiahy. Tsiahivina fa hanomboka ny 19 ka hatramin’ny 28 jolay ho avy izao ny fifaninanana. Marihina fa anisan’ny hifaninanana amin’ity ny hazakazaka am-bisikilety, ny baolina kitra, ny volley-ball, ny lomano, ny voile, ny atletisma, ny badminton, ny baolina lavalava, ny basikety, ny beach-volley, ny ady totohondry, ny fibatana fonjamby, ny judo ary ny tenisy.

 

Torcelin

Les commentaires sont fermées.