Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatondrazaka: tsy raikitra ny “Tangorona III”

Ambatondrazaka: tsy raikitra ny “Tangorona III”

Niova tampoka! Tsy hisy indray ny “Tsenabe Tangorona III”, ho an’ny faritra Alaotra Mangoro, tokony hotanterahina ny 31 jolay hatramin’ny 4 aogositra ho avy izao, any Ambatondrazaka. Araka ny loharanom-baovao, nahatonga izany ny fotoana tsy ampy fa akaiky loatra ka tsy mifanaraka amin’ny fepetra takin’ny lalàna, nomena ny olona na ny orinasa, hiantoka ny fanatanterahana ity hetsika toekarena ity.

Manampy izany, araka ny fiteny aty Alaotra, azo adika amin’ilay hoe “efa may ny mololo”, izany hoe, lany vola ny mpamboly amin’io fotoana nokasaina hanatanterahana ny “Tangorona III” io, sady efa fotoam-panadinana rahateo manomboka ny aorian’io 31 jolay io. Tsy afaka mamoaka tetibola rahateo ihany koa ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro satria mbola vonjimaika.

Rarivo

Les commentaires sont fermées.