Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra –  Fifanintsanana faritra  Afrika: tafiditra anaty vondrona amin’ny « Mondial » ny Barea

Kitra –  Fifanintsanana faritra  Afrika: tafiditra anaty vondrona amin’ny « Mondial » ny Barea

Notsaraina amin’ny dingana sy ezaka vitany. Namoaka ny fomba hanatanterahana ny fifanintsanana, hiadian-toerana amin’ny «Mondial 2022 », hatao any Quatar, ho an’ny faritra Afrika, ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa). Fantatra  fa miditra anaty vondrona avy hatrany ny Barea.

Tsy anisan’ireo hiatrika ny lalao savaranonando intsony ny Barea de Madagascar, fa hiditra avy hatrany eo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona. Anisan’ny anton’izany ny laharana misy azy amin’izao fotoana izao. Miisa 26 ireo ekipam-pirenena tsy manao intsony ity savaranonando.  Anisan’izany i Sénégal, RD Kongo, Tonizia, Alzeria, Maraoka, Ghana, Kameronina, Egypta, Borkina Faso, Kongo, Ghana, Côte d Ivoire, Ginea, Afrika Atsimo, Cap vert, Oganda, Madagasikara, Zambia, Bénin, Niger, Maoritania, Gabon,  Kenya, Lybia, Zimbaboe, Mali.

Hotanterahina ny 27 jolay ho avy izao, ny antsapaka ho an’ireo hiatrika ny dingana voalohany na ny lalao sakana, hiadian’ireo firenena 28 ratsy toerana indrindra. Tafiditra ao anatin’izany i Somalie, Erythrée, Djibouti, Seychelles, Sao Tomé, Tchad, Soudan atsimo, Gambie, Nosy Maorisy, Libéria, Etiopia, Kaomoro, Botsoana, Lesotho, Eswatini, Ginea ekoatorialy, Roanda, Borondi, Sodan, Togo, Malawi, Angola, Ginea Bisao, Mozambika, Sierra Leone, Namibia, Centrafrique, Tanzanie. Hiatrika lalao mandroso sy miverina izy ireo ka hanampy ireo ekipa 26 misy ny Barea ireo 14 tafavoaka ao amin’io lalao sakana io, manao ny lalaom-bondrona.

Hiatrika  ny lalaon’ny Nosy sy ny Chan

Hozaraina ao anaty vondrona 10 misy ekipa 4 avy izy ireo  avy  eo. Hanao ny lalao sakana faharoa, mandroso sy miverina ny firenena 10 mpandresy amin’ireo. Hiatrika ny “Mondial 2022”  kosa   ireo dimy voalohany, amin’izany.

Mandram-piandry izany,  hiatrika ny lalaon’ny Nosy amin’ny  herinandro  ho avy io ny Barea iray ary ny Barea,  tsy ahitana  ireo matihanina  sy mpila ravinahitra kosa, handray anjara amin’ny Chan. Hifandona amin’i Mozambika afaka  herinandro izy ireo.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.