
Niray feo ary nilaza ny tsy hanaiky hatramin’ny farany. “ Tsy tokony hirosoana aloha ny fifidianana Ben’ny Tanàna raha tsy milamina ny fanoloana ny mpikambana rehetra ao amin’ny Ceni sy ny ratsa-mangaika, ny fokontany, ny distrika, ny kaominina nikirakira ny fifidianana sy ny HCC”, hoy ny Hetsiky ny olom-pirenena miady amin’ny hosoka sy hala-bato (Hom3HF), tetsy Anosy, omaly. Nohitsin’izy ireo fa tompon’andraikitra tamin’ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana rehetra natao teto ireo ary tsy afa-bela amin’ny halabato niseho koa. Anisan’ny nitarika izany ny sasany amin’ireo kandidà tsy lany sy ireo mpanao politika sasany, toy ny pasitera Tsarahame Edouard, ny Dr Razafindrakoto Harison, i Ninie Donia na koa ry Riri be. Nanatrika izany kosa ny maro amin’ireo depiote Tim, voafidy farany teo. Ankoatra izany, nanterin’izy ireo fa tokony ovana ny lalàna mifehy ny fifidianana. “Mba isian’ny fifidianana madio, mangaraharaha ary eken’ny rehetra ny anton’izany. Tsy tokony ho afa-bela koa ireo nandika lalàna sy nanao fahadisoana. Aoka isika olom-pirenena mba hitsangana hatramin’ny farany ary hanohitra ny halabato sy ny hosoka”, hoy ihany izy ireo. Notsindrin’ireto mpanao politika ireto fa tsy hisy firenena vanona eto raha ohatra ka olona lany tamin’ny halabato no hitondra sy ny firenena sy ny faritra.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.