Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Variana tamin’ny Barea ? mitohy ny fitrandrahana Andramena

Variana tamin’ny Barea ? mitohy ny fitrandrahana Andramena

Misoko mangina ! Variana tamin’ny fahombiazan’ny ekipam-pirenena Barea ny rehetra, nefa manararaotra ny hafa, toy ny any amin’ny Nosy Sainte Marie. Nahazo loharanom-baovao, avy amin’ny olona tsara sitrapo, ny polisim-pirenena any an-toerana, fa misy andian’olona mikapa hazo andramena any amin’ny ala akaiky ny tanànan’Andapanangoy, fokontany Vohilava. Voalaza fa amidin’izy ireo amin’ny mpandraharaha iray ny bolabolan-kazo ary havoaka any Soanierana Ivongo. Nanamarina izany loharanom-baovao izany ny polisy any an-toerana, ny zoma 12 jolay teo, notarihin’ny ofisie Rabenandrasana Berthelie, ny tompon’andraikitry ny ala, i Fanomezantsoa Désiré, niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy avy. Tratra tany Andapanangoy ny iray tamin’ireo mpanapaka sady mpivarotra ny andramena. Taorian’ny fanadihadiana azy, nanondro ny namany roa hafa izy, ary tratra tao ny bolabolan’andramena miisa roa, mirefy 1,5 metatra avy.

Sajo

Les commentaires sont fermées.