
Mahery fo ary tsy mbola nisy tahaka iny ! Hotanterahina, anio eny Iavoloha ny fandraisana amin’ny fomba ofisialy ny Barea taorian’ny fitsenana azy ireo tonga an-tanindrazana, avy niatrika ny Can. Handray azy ireo ny fitondram-panjakana manontolo, hotarihin’ny filoha Rajoelina.
Nosokajiana ho “Maherifon’ny firenena” ireo mpilalaon’ny Barea. Hotolorana ny mari-bonihitra izy ireo, anio noho ny dingana vitany sy ny ezaka nataony teo amin’ny Can, natao tany Ejypta farany teo. Tsy vitan’izany fa efa nampanantena tambiny ho azy ireo ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny filoha Rajoelina. Mendrika izany rahateo ireto mpilalao sy ny mpitantana ireto.
Mandram-piandry izany, nangorom-potsy sy mena ary maitso ny nolalovan’ny Barea tamin’ny fahatongavana avy eny Ivato nihazo ny Renivohitra, ny asabotsy teo. Tsy mbola nisy tahaka izany teo amin’ny tantaran’ny firenena.
Safotra nahita an’i Adrien Melvin
Tafahoatra sy tsy voafehy hatramin’ny fitiavana ny Barea sy ireo mpilalao ka safotra nandritra ny minitra vitsy ny tovovavy roa nahita maso akaiky ny mpiandry tsatoby Adrien Melvin naneho sary fo amin’ny alalan’ny tanana tao anaty fiara nitondra ny ekipam-pirenena teny Ivato. Tao koa ireo nanoroka ny fitaratry ny fiara tamin’i Voavy Paulin.
Nitohy teny Antaninarenina nitobian’ireo mpilalao, omaly ny fakana sary. Nilaharana ny “seflie” miaraka amin’ireo mpilalao.
Na izany aza, hita taratra ny goragora teo amin’ny fandaminana sy ny fikarakarana iny fitsenana ny Barea iny. Nanomboka teny amin’ny seranan’Ivato hatreny an-dalana sy taty an-dRenivohitra. Hadino sy tsy hita hatramin’ny mpilalao roa…
Nandraisana fepetra ny hamaroan’ny olona…
Tokony efa nampoizina ny hamaroan’ny olona ka nandraisana ny fepetra mifandraika amin’izany. Tena sahirana ireo mpitandro filaminana noho ny havitsiany na nanao ny ho afany aza. Manamafy izany ny ratra noho ny fianjeran’ny mpilalao i Amada. Nijanona tampoka ny fiara nitondra azy ireo noho ny fiampitan’ny moto iray nanoloana ilay “car” be notaingenan’ny Barea tetsy Tsarasaotra. Tsy nahagaga raha ora valo be izao ny nanaovana iny lalana 20km latsaka iny na natao tao anatin’ny fifaliana aza izany… Nisy nihoa-pefy. Tanàna tsy ilaozan’adala. Tsy nahafa-po ny maro ny fampitana mivantana nataon’ny TVM izany rehetra izany…
Manoloana ireo, tsy mazava ny fifampizarana andraikitra. Ofisialy sa tsia iny hetsika iny ? Ahoana ny fiahiana sy fiantohana ny filaminana, indrindra ho an’ny filoham-pirenena mivady. Nampiandrasana ora maro tetsy Mahamasina izy ireo sy ny mpikamban’ny governemanta. Alina rahateo ny andro. Eo koa ny momba ireo mpilalao sy ny fiantohana ny ain’izy ireo. Ny lafiny arofenitra sy ny fametrapetrahana ny ora ary ny fotoana rehetra.
Loto sy fako ary ny fahapotehana
Manampy ireo, niseho indray koa ilay tsy firaharahana ny fotodrafitrasa sy ny fahadiovana noho ny tsy firindran’ny fandaminana. Potika ny ampahany amin’ny fefin’ilay seranam-piaramanidina vaovao eny Ivato. Tahaka izany koa ny fahapotehan’ny fefy sy ny voninkazo etsy Mahamasina. Ny loto sy ny fako ary ny fofona tsy lazaina intsony… Hiasa mafy indray ny mpanadio tanàna ao amin’ny CUA… Tahaka izany hatrany isaky ny misy hetsika eto an-tanàna.
Hakana lesona hitsenana ny Papa François
Araka izany, tokony hahay haka lesona isika amin’ny tranga tahaka ireny. MBa ho matihanina kokoa. Eo ny fifampizarana andraikitra sy ny fandaminana rehetra. Ho avy ny Papa François, ny 6 septambra izao… Iza ny manao inona amin’io fotoana io ?
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.