Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka: tara fitomboana ny antsasamanilan’ny ankizy

Tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka: tara fitomboana ny antsasamanilan’ny ankizy

Mbola nohamafisian’ny valin’ny fanadihadiana MICS 2018 fa mitana ny laharana voalohany ny faritra Vakinankaratra amin’ny zaza tara fitomboana.  

Ankizy (latsaky ny 5 taona)  42 amin’ny 100 no tratran’ny fahataran’ny fitomboana eto amintsika, araka ny valin’ny dinidinika momba ny fiainan-tokantrano MICS taona 2018.

Miseho amin’ny tsy fahampian’ny halavana mitaha amin’ny taona ny fahataran’ny fitomboana eo amin’ny ankizy.  Taha nasionaly io fa ho an’ny isam-paritra Vakinankaratra no mitana ny laharana voalohany amin’ny taha 60%, manaraka Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony 55 sy 54%. Avy eo ny faritra Bongolava 52% ary Analamanga 48%. Vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ny fahataran’ny fitomboana, hoy ny fanazavan’ny teknisianina. Ho an’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka mahazo ny zaza latsaky ny 5 taona, manana ny taha ambony indrindra koa ny faritra Vakinankaratra sy Matsiatra Ambony samy 65,2%, manaraka, Amoron’i Mania ary Itasy 62,3%. Anisan’ny faritra efa iasan’ny tetikasa Fanjarian-tsakafo sy fahasalamana ifotony (FAFY) ireo hampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo ho 38% raha mbola ho 47% izany, ny taona 2012-2013. Efa nanomboka ny taona 2018 ny tetikasa ary hifarana ny taona 2022 miaraka amin’ny banky iraisam-pirenena. Miara-miasa ny tolotra ara-pahasalamana eny amin’ny tobim-pahasalamana sy ny fahasalamana ara-tsakafon’ny reny sy ny zaza. Zaza latsaky ny 5 taona mahatratra 1 tapitrisa sy sasany no iantefan’ny tetikasa amin’ny fokontany 6 492.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.