Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Voatifitry ny zandary ny dahalo  mpisakan-dalana iray  raha tafaporitsaka  kosa ny roa namany,  tany Analakinampa any Maintirano  ny 13 jolay teo. Nambaran’ny Sekreteram-panjakana  miadidy ny zandary,  ny Jly Ravalomanana  Richard  (Seg), omaly teny Ivandry fa nanafika fiara nitondra mompera  sy teratany vahiny  mpilatsaka  an-tsitrapo ireo dahalo ireo. Maty noho  ny  ratra nahazo azy anefa io jiolahy io rehefa nentina tany amin’ny CSB  tany an-toerana.

Ankoatra izany,  fantatra fa  nilamina ihany amin’ny ankapobeny ny fitsenana ny Barea  noho ny  hetsika sy ny andraikitra noraisin’ny mpitandro filaminana.  “Noderain’ny filohan’ny CDN, Atallah Béatrice manokana izy ireo noho ny fandaminana nataon’izy ireo tamin’iny fotoana iny,  indrindra ny  teny Ivato”, hoy ihany ny  Seg.

 

 

Les commentaires sont fermées.