Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sekoly ambonin’ny zandary Moramanga: miantso ny handalana ny fahamarinana  ny PM

Sekoly ambonin’ny zandary Moramanga: miantso ny handalana ny fahamarinana  ny PM

Hentitra tamin’ny antso avo nataony ho an’ny mpitandro filaminana amin’ny ankapobeny. Niatrika ny famoahana ofisialy ny andiany miisa telo avy ao amin’ny Sekoly ambonin’ny zandarimariam-pirenena (ESGN) tao Moramanga ny  tenany.

« Manainga antsika rehetra ny tenako eo amin’ny fanatanterahana ny asa izay miandry antsika, amin’ny  adidy horaisintsika mba tena hijoro hatrany amin’ny marina, amin’ny hitsiny, amin’ny rariny. Izany no andrasan’ny vahoaka malagasy amintsika, izany no andrasan’ny firenena amintsika » hoy ny Praiministra Ntsay Chrsitian,  ny  faran’ny herinandro teo tao Moramanga.  ny tenany tamin’io fotoana  io. Nanteriny fa fototra hiainan’ny mpitandro filaminana, indrindra amin’ny fanatanterahana ny asany ny fahendrena, ny fahamendrehana sy ny fahamarinana. Notolorany fisaorana manokana ny  fianakaviamben’ny zandary satria manomboka miverina tsikelikely ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka malagasy sy ny mpitandro filaminana.  Anisan’ny nitondra anjara biriky tamin’izany ny teo anivon’ny Zandarimaria.  Anisan’ny ny fepetra efa noraisina teo anivon’ity vondron’ny mpitandro ny filaminana ity, ny famongorana ny kolikoly, ny fanaraha-maso ny fampiharana nandalovan’ny tsirairay mba tsy hisian’ny fahamoran’ny fisondrotanana mariboninahitra.

Famerenana ny hasin’ny  firenena

Marihina fa andiany faha-24 nanaraka ny « cours supérieurs de commandement », ny andiany faha-43 avy amin’ny « cours d’application des officiers » ary ny andiany faha-57 nanaraka ny « cours de brevet professionnel de premier degré » ireto nivoaka ireto. Niofana  nandritra ny volana vitsivitsy tao ao amin’ny ESGN  izy ireo, ary miisa 154.

Naverimberiny ny tokony hamerenana indray ny hasin’ny firenena mba ho tena firenena mandala ny fahamarinana. Nisy ny matso nataon’ireo mpianatra ho zandary ao amin’ny ESGN sy ny fampirantiana ireo fitaovana vaovao ho an’ny faritra Alaotra Mangoro.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.