Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Saika hamita iraka any Revitiky: nisy nandoro ilay mpiasan’ny MNP

Saika hamita iraka any Revitiky: nisy nandoro ilay mpiasan’ny MNP

Niainga tao amin’ny tanànan’Ampitanaka, ny 10 jona lasa teo ny mpiasan’ny Madagascar National Parks (MNP) iray, Jules Florent, ao amin’ny valanjavaboary Tsimanampesotse, hamita iraka, mandritra ny 10 andro hanara-maso ny atiala rehetra. Nisy mpikambana iray amin’ny komity miara-mitantana ny valanjavaboary (CLP) tokony hiaraka taminy. Tsy tonga tany amin’ilay toerana tokony hanaovany fanaraha-maso mihitsy ity mpiasa ity ary tsy hita koa ilay mpikambana amin’ny CLP voalaza fa hiaraka aminy. Sivy andro taty aoriana no nanomboka ny fikarohana azy. Nametraka filazana fikarohana sy fitoriana tao amin’ny borigadin’ny zandarmaria tao Itampolo ny MNP ary nanomboka ny fikarohana.

Araka ny fanadihadiana, olona mikapa ala ao anatin’ny valanjavaboary no namono ity mpiasan’ny MNP ity ary nandoro ny razana mba tsy ahitana ny porofon’ny asa ratsiny. Izay no tsy nahitan’ireo mpikaroka azy mihitsy. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ilay olona nahavanon-doza amin’izao fotoana izao rehefa niaiky ny helony. Valo taona no niasan’i Jules Florent tao amin’ny MNP ary namela kamboty dimy izy.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.