Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahajanga: tranona Kaomorianina nahitana sokatra marobe

Saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Mahabibokely Mahajanga, ny zoma hariva teo ny zana-tsokatra miisa 92 ka efa maty ny roa amin’ireto zana-tsokatra ireto rehefa tonga teny amin’ny sampandraharaha misahana ny fiarovana ny biby tsy azo aondrana. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny teo anivon’ny zandarimaria miaraka amin’ny sampandraharaham-paritra misahana ny tontolo iainana ka fantatra fa zana-tsokatra efa maty miisa 19 natao tanaty selofanina no hita ao amina tokantranona Kaomorianina iray mifanila amin’ilay trano nahatrarana ireo sokatra marobe. Nangataka taratasy fahazoan-dalàna avy eny amin’ny tribonaly ny zandary nanao ny fisavana ilay trano. Niroso tamin’ny fisavana ny zandary ka hita tao an-tranona vadina kaomorianina ireo sokatra ireo. Nambaran’ny zandary, lasa any kaomoro ilay teratany kaomorianina fa ny vadiny ihany no tratra tao an-tranony tamin’io fotoana io. Nohamafisin’ny zandary hatrany fa miisa 250 ny zana-tsokatra tratra saika haondrana any Kaomoro, tamin’iny herinandro iny fa tsy hay na misy ifandraisany amin’ny fahitana sokatra ity na tsia. Nalefa any amin’ny sampandraharaham-paritra misahana ny tontolo iainana ireto zana-tsokatra ireto. Mitohy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.

J.C    

 

 

Les commentaires sont fermées.