Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitrandrahana gaboraraka: tandindomin-doza ny antsantsa

Fitrandrahana gaboraraka: tandindomin-doza ny antsantsa

Miisa 80 ny karazana antsantsa eto Madagasikara, ka ao anatin’ny « lisitra mena », mitanisa ireo tandindomin-doza sy ahina ho lany tamingana, navoakan’ny Fiombonambe iraisam-pirenena mikasika ny fiarovana ny tontolo iainana ( IUCN), ny 37 amin’ireo. Anisan’izany ny antsantsa maritoa (Sphyrna mokarran) ny antsantsa léopard (Stegostoma fasciatum) ary ny antsantsa misy tendrony fotsy (Carcharhinus albimarginatus).

Tandindomin-doza ity hazandrano ity satria mirongatra ny fitrandrahana gaboraraka. Mihapotika ny toeram-ponenany sy ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro. Nahatratra 14 taonina ny vombon’antsantsa naondran’i Madagasikara, ny taona 2017.

Drafi-pirenena maharitra

Nankalazaina ny 12 jolay teo ny Andro ho fanentanana mikasika ny antsantsa (voatondro 14 jolay ny daty tena izy). Tanjona ny hanomezan-danja ity karazana hazan-dranomasina ity, hanamafisana ny fepetra hiarovana sy hitantanana azy maharitra. Voakasik’izany koa ny karazana ray (raie), karazan-trondro mitapelaka. Miara-miombon’antoka manatanteraka izany ny minisiteran’ny Tontolo iainana (MEDD), ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep), ary tohanan’ny fikambanana iraisam-pirenena Wildelife conservation society (WCS), hamolavola ity drafi-pirenena ity. Anisan’ny nanatrika ny tale jeneralin’ny Jono ao amin’ny Maep, Bemanaja Etienne. Nankatoavina ny jona 2019 teo ity drafi-pirenena ity.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.