Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fianarantsoa: lehiben’ny CIRGN ny Kly Tsiketa Bernard

Notontasaina ny talata teo tao amin’ny Kianja Ampasambazaha Fianarantsoa ny lanonana famindram-pibaikoana teo anivon’ny fari-piadidian’ny zandarimaria (CIRGN) Fianarantsoa. Nitarika ny lanonana ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), ny Jly Ravalomanana Richard sy ny lefitra voalohan’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Randriamanesy André. Ny Jly Rabearimahefa no kaomandin’ny fari-piadidiana teo aloha izay nodimbiasin’ny Kly Tsiketa Bernard Dieu Donné, izay lefitra voalohan’ny kaomandin’ny fari-piadidian’ny zandarimaria Toliara teo aloha. Izy no kaomandy faha-22 hifehy ny CIRGN Fianarantsoa. Nandritra ny lanonana no nanolorana azy ny fanevan’ny fari-piadidiana sy ny antsilava ho mariky ny fitazonana fahefana ary ny andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Nilaza izy fa laharam-pahamehana ny hametraka fandriampahalemana maharitra ao amin’ny faritra iadidiany ka ao anatin’izany ny ady amin’ny asan-dahalo, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana ary ny fifehezana ireo zandary mba hanara-dalàna.

J.C

 

 

Les commentaires sont fermées.