Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanatsarana : nanao fanadiovana faobe ny boriborintany  fahadimy

Tsy ankiato. Nanatanteraka fanadiovana faobe nandritra ny telo andro ny etsy amin’ny boriborintany fahadimy, ny herinandro teo. Nanomboka avy eny Ankorondrano, Ivandry ka hatrany Analamahitsy  izany  ary  iarahana amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Niara-nientana tamin’izany ireo  avy amin’ny ekipa teknika, ny “Agent d’assainissement” ary ireo mpanadio lalana. Niainga teny amin’ny Pulman Ivandry ka hatreny amin’ny Jovena Analamahitsy ny asa fanadiovana. Mbola nitohy teny Alarobia indray ny asa avy eo ary hatreny amin’ny Magro Ankorondrano sy ny mihazo eny amin’ny Ilot des assassins Ivandry iny.

Nisy ny fanadiovana ny sisin’ny arabe, fanesorana ireo bozaka ary fandraofana ireo fasika miangona. Mbola hitohy ny asa ho fanatanterahana ny vinan’ny ben’ny Tanàna, Ravalomanana Lalao :  « Antananarivo soa iombonan’ny Malagasy rehetra  ». Manentana hatrany ny mponina  ny  CUA mba hitandro ny fahadiovan’ny tanàna.  “Ireo tsy mandoto, efa manadio”, hoy  izy  ireo.

Synèse  R. 

 

Les commentaires sont fermées.