Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andranomadio: tratra ireo tambajotrana mpangalatra moto

Andranomadio: tratra ireo tambajotrana mpangalatra moto

Saron’ny polisin’ny FIP ao Toamasina ireo andian-jiolahy miisa sivy ao anatina tambajotrana mpangalatra moto. Ny asabotsy teo ry zalahy ireto no saron’ny polisy tao amin’ny fokontany Andranomadio sy Ankirihiry izay anisan’ny faritra mena amin’ny halatra moto sy ireo mpandeha moto, indrindra amin’ny lalam-baovao “Relax”. Ahenoana halatra moto hatrany isan’andro amin’ireo faritra ireo, indrindra ho an’ireo mandeha moto tratra hariva. Araka ny fanazavan’ireo jiolahy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy, darohan’izy ireo amin’ny hazobe na hambanana amin’ny sabatra ilay mpitondra moto dia lasan-dry zalahy ny moto. Nanao hetsika manokana ny polisin’ny FIP Toamasina ka tamin’izany no nahazoana ireto andian-jiolahy ireto. Voalaza fa manao andiany ireto jiolahy ireto rehefa manao ny asa ratsiny ka ao ireo mpitahiry halatra sy mpitady mpividy ireo moto halatra. Tratran’ny fitsaram-bahoaka ny iray amin’ireto jiolahy ireto satria tratra teo am-pangalarana moto ka voadaroka tamin’ny hazobe. Soa ihany fa nalaky tonga ny polisy fa raha tsy izany tapitra ny ainy. Nambaran-dry zalahy tamin’ny polisy fa any Mananara Avaratra sy Sainte Marie no hamarotana ireo moto halatra ireto, indrindra ho an’ny moto marika “IRM” satria matanjaka ka tian’ny olona.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.