Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambodivona: trano hazo miisa 19 kilan’ny afo, olona iray naratra

Ambodivona: trano hazo miisa 19 kilan’ny afo, olona iray naratra

Trano hazo miisa 19 indray kila forehitra teny Ambodivona, ny asabotsy hariva tamin’ny 6 ora sy 45 mn teo. Teo amin’ireo trano hazo fivarotana tongolo sy sakamalao ary hani-masaka mifanila amin’ny trano fandraisam-bahiny iray eny an-toerana ireto kila hotohoton’ny afo ireto. Araka ny tatitra nampitain’ny teo anivon’ny sampana mpamonjy voina, tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny firehetana satria tsy nisy teo an-toerana avokoa ny ankamaroan’ireo tompon-tsena fa lasa nitsena ny Barean’i Madagasikara nigadona eto an-tanindrazana. Ny afo efa nijoalajoala niainga avy ao amin’ny trano iray no nanaitra ireo olona teo amin’ny manodidina ka niantso mpamonjy voina avy hatrany izy ireo. fotoana fohy taorian’izay, tonga teny ny fiarabe miisa dimy niaraka tamin’ireo mpamonjy voina nanao ny asa famonjena. Na teo aza ny fijoalajoalan’ny afo sy ny fahasarotan’ny famonjena dia voafehin’ireo mpamonjy voina ihany ny afo tamin’ny 7 ora sy 20 mn. Voalazan’ny mpamonjy voina fa nisy lehilahy iray naratra, saingy tsy nety nentina tany amin’ny hopitaly izy ka teny an-toerana no natao ny fitsaboana azy.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.