Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sombintsombim-baovao

Fifidianana FMF. Nikatona, omaly tamin’ny 5 ora hariva, ny fanaterana ny antontan-taratasy firotsahana hofidina ho filohan’ny federasiona malagasy ny taranja baolina kitra, araka ny fe-potoana napetraky ny Comité de normalisation. Araka ny vaovao voaray, filatsahan-kofidina miisa dimy ny voaray teny amin’ny foiben’ny FMF, hatramin’io ora voatondro io. Hatreto, mbola Rasoamaromaka Hery hatrany no naneho izany firotsahana hofidina ho filohan’ny FMF izany. Ny ambiny kosa, tsy mbola nisy nilaza ampahibemaso. Tsahivina fa nanomboka ny 12 jona teo ny fametrahana ny antontan-taratasy, ny 24 aogositra kosa ny hanaovana ny fifidianana.

« Lalaon’ny Nosy ». Hanainga, anio, ny delegasiona malagasy voalohany, hihazo ny Nosy Maorisy, hiatrika ny « Lalaon’ny Nosy », hanomboka ny 18 jolay izao ary haharitra hatramin’ny 29 jolay. Hisy ny delegasiona miisa telo aorian’ny anio, hanainga ny 18, ny 19 ary ny 20 jolay ity. Tsahivina fa miisa 14 ireo taranja andraisantsika anjara, ahitana atleta 218 sy mpanazatra 39 arahina mpitsabo valo manara-maso akaiky ny fahasalaman’ireo atleta. Tsara ny manamarika fa 19 ny mpitsara lalao avy eto Madagasikara mandritra ity “Lalaon’ny Nosy” andiany fahafolo ity.

 

Nangonon’i Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique