Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Praiminisitra Ntsay Christian: « Aoka tsy harovana ny olon-dratsy »

Hentitra ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny fitsidihany ny any Tsaratanàna, ny any Mandritsara, ny any Andilamena ary ny any Besalampy, omaly. Mazava ny nambarany. “Tsy tokony hisy intsony ny fiarovana olon-dratsy. Mamoaka didy amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy ny fitsarana. Hahazo vahana ireo olon-dratsy, eny, ny faty olona, ny fametavetana vehivavy, ny fandorana fananan’olona, ny alahelo ny ho vokatr’izany raha tsy mipetraka ny fandraisana andraikitra amin’ny fahamarianana”, hoy izy. Anisan’ny tsy maha tomombana ny fifampitokisana ihany koa ny goragora na ny tandrevaka eny anivon’ny fitsarana. Misy ny tsy manao ny asany araka ny tokony ho izy. Tokony harahi-maso ny fomba fiasan’ireo olona fehezina. Nohitsiny fa ilaina ny fijerena ifotony ahafahan’ny governemanta manao kisary ny tetikady vaovao hampiasaina hanoherana amin’ny fomba maharitra ny asan-jiolahy.  “Mba tsy hiononana fotsiny amin’ny filatsahana ankamehana rehefa misy endrika tsy fandriampahalemana miseho. Na manao ny ainy tsy ho zavatra aza ireo mpitandro filaminana rehetra, efa ela loatra ny niaina ny tebiteby, ny ahiahy, ny tsy fahamarinana, ny fijaliana sy ny fahoriana maro samihafa, ary vesaran’ny fahantrana ny vahoaka malagasy ka toa zary very fanahy mbola velona. Mazava fa tsy ny vahiny ny manapotika ny firenena fa ny samy Malagasy ihany. Midika izany fa tsy misy ny hambompo amin’ny fitiavan-tanindrazana”, hoy ihany izy.

Synèse R. 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique