Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpitsabo mpiasam-panjakana: hatsaraina hatrany ny fitsaboana

Mpitsabo mpiasam-panjakana: hatsaraina hatrany ny fitsaboana

Nisy ny fihaonana niarahan’ny mpitsabo mikambana ao amin’ny sendikàn’ny dokotera mpiasam-panjakana teny Anosy, omaly. Tanjon’ny hetsika ny hijery ny fanatsarana ny hasin’ny asa sy ny fari-piainan’ny mpitsabo malagasy miasa amin’ny sehatry ny fanjakana manerana ny Nosy. Mahatsapa izy ireo fa raha mitaha amin’ny mpiasam-panjakana sasany, ambany ny karaman’ny mpitsabo nefa henjana ny asa. Anisan’ny nodinihina tao anatin’ny fivoriana koa ny resaka kolikoly mampitaraina ny marary mitsabo tena eny amin’ny hopitalim-panjakana. Tsy maintsy misy ny fanadihadiana momba ny fitarainana na mitombina tokoa na tsia ary manaraka ambaratonga ny fanapahan-kevitra rehefa voamarina fa misy tokoa ny hadisoana na ny kolikoly nataon’ny mpitsabo.

600 ireo mpitsabo mpikambana ao anatin’ny sendikà vonona hampandroso ny fitsaboana miaraka amin’ny vahoaka. « Horaketina ao anatin’ny fehinkevitra an-tsoratra ny zavatra tapaka rehetra ary hatolotra ny manam-pahefana isanisany », hoy ny sekretera jeneralin’ny sendikà, Andrianarijaona Liva.

Vonjy

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique