Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kardinaly Tsarahazana Désiré: « Hanompo vahoaka ny depiote »

Kardinaly Tsarahazana Désiré: « Hanompo vahoaka ny depiote »

Hafatry ny raiamandreny. “Aoka ho tena mendrika ny ho solombavambahoaka marina ianareo ka tena hanompo vahoaka marina fa tsy hotompoina. Tena ho mpiaro ny marina sy rariny ary hiady amin’ny fahalovana tanteraka fa tsy ho mpiray petsapetsa amin’ny ratsy, tena nanimba”, hoy ny kardinaly Tsarahazana Desiré tao amin’ny birao fiasany Ampasimazava, omaly. Nasiany resaka ihany koa ny ho fahatongavan’ny papa François eto amintsika ny volana septambra izao. “Aza sakanana ny olona rehetra te hanatrika izany fahatongavan’ny papa ray masina izany. Hasaina avokoa ho avy ireo rehetra afaka mamonjy izany satria fotoana manan-tantara amin’ny fiainan’ny Malagasy ny fitsidihana hataony eto amintsika”, hoy ihany izy.

Ankoatra izany, anisan’ny nanaraka ny lalaon’ny Barea tao anatin’ny lalaon’ny “Can 2019” tany Egypta ny kardinaly Tsarahazana Desiré. Tsapany tamin’ireo toerana nalehany tao

anatin’ny fitsidiham-paritra nataony eo anivon’ny arsidiosezin’i Toamasina fa nampiray fo sy

nampifankatia ny Malagasy ny Barea tamin’ireo lalao nataony rehetra. Niray fo tamin’ny mpilalaontsika avokoa ny Malagasy rehetra. “Tsara tohizana izany satria ny fiarahan’ny Malagasy rehetra mientana, miteraka fahombiazana amin’ny firenena”, hoy ihany izy.

Sajo

Les commentaires sont fermées.