Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kamiaobe latsaka tao ambany tetezana: olona efatra indray maty, Gineanina ny iray

Olona efatra indray maty (lehilahy roa, teratany gineanina, 43 taona, ny iray sy vehivavy roa ka pasitera, 58 taona, ny iray amin’izy roa vavy ireto), araka ny fampitam-baovao nampitain’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ikalamavony. Io ny vokatry ny fianjeran’ny kamiaobe iray tao ambany tatezana, ao amin’ny kaominina Mangidy, distrikan’Ikalamavony, omaly maraina tamin’ny 5 ora sy 30 mn. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, kamiaobe nitondra vary avy any Ikalamavony hiakatra ho any Fianarantsoa ity tra-doza tampoka ity rehefa tratran’ny olana teknika teo am-pidirana ny tetezana. Vokany, nivadibadika tany ambany tetezana ilay kamiaobe. Olona valo ny tao anaty fiara ka efatra indray maty tsy tra-drano ary isany ilay teratany gineanina iray. Namoy ny ainy tamin’ity loza ity koa ny mpamily. Voalazan’ny zandary fa samy tompon’entana avokoa ireo olona niharam-boina ireo. Naratra mafy kosa ireo olona efatra (teratany gineanina ny iray) hafa ka nentina haingana namonjy hopitaly ao Fianarantsoa. Potipotika tsy nisy noraisina intsony ilay kamiaobe namoa-doza. Nanao izay ho afany tamin’ny fisokirana ireo razana sy ireo maratra ny zandary. Ny zandary avy ao amin’ny poste avancé Mangidy sy borigadin’Ikalamavony no misahana ny fanadihadiana.

Jean Claude

 

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique