Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Harena an-dranomasina: harindra ny asam-pikarohana rehetra

Harena an-dranomasina: harindra ny asam-pikarohana rehetra

Natao, ny 11 sy 12 jolay teo teto Antananarivo, ny atrikasa hamolavolana ny paikadim-pirenena mikasika ny fikarohana ny harena an-dranomasina. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Jono, i Bemanaja Etienne, ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep), fa “tanjona hampifanarahana amin’ny toetrandro sy ny zava-misy ny asam-pikarohana mikasika ny harena anaty rano. Tsapa mantsy fa tsy ampy ny fandrindrana ny asam-pikarohana mikasika ny harena anaty rano sy ranomasina hatramin’izay fa samy nanao ny azy ny seha-pikarohana samihafa, toy ny oniversite, ny ivompikarohana, ny fikambanana samihafa. Anisan’ny lesoka, ohatra, ny tsy fahafantarana mazava ny antontanisa mikasika ny tahiry anaty rano eto amintsika, ny toerana sy ny fiavian’ny karazana harena anaty ranomasina, sns.

Koa anisan’ny tanjona manokana amin’ity atrikasa ity ny handravonana sy ny handrindrana ireny rehetra ireny. Hatsangana ny vovonana hisahana izany ary hoezahina hijoro mialoha ny faran’ity taona 2019 ity. Hanamora ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka koa izany, indrindra ny lafiny famatsiam-bola sy ny tohana teknika (PTF).

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique