Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampiharana ny PSE 2017-2021: mpampianatra 980 voaofana

Fampiharana ny PSE 2017-2021: mpampianatra 980 voaofana

Hifarana, anio, ny tomban’ezaka ho an’ny roa taona voalohany nampiharana ny Tetipivoarana ho an’ny fanabeazana natomboka ny taona 2017-2018 eto amintsika. Tanjona ny hanatsara ny kalitaon’ny fampianarana ka hahatafita ny tanora malagasy amin’ny fahitana asa mahavelona azy na ny famoronana asa. Eo koa ny fahazoan’ny zaza malagasy misitraka fanabeazana farafaharatsiny sivy taona ka hotsinjaraina “sous cycle” telo izany hatramin’ny kilasy T9. Voalazan’ny tomponandraikitra fa nisy ny vokatra azo tao anatin’ny roa taona: anisan’izany ny fanofanana mpampianatra 980 ho an’ny ambaratonga voalohany fototra miaraka amin’ny mpanolotsaina pegagojika 400. Efa am-perinasa koa ny mpanara-maso eny anivon’ny CEG 64. Ho an’ny fampianarana teknika, nampanarahana fenitra ny lycée 11 sy ny toeram-panofanana enina. Efa voavolavola ny « curricula 16 » ho an’ny taranja teknika. Antony nirosoana amin’ny fanavaozana ny fanabeazana ny fahatsapana fa betsaka ny ankizy miala an-daharana. Amin’ny mpianatra 100 miditra amin’ny kilasy T11, valo sisa mahatody hatramin’ny kilasy famaranana ary mbola mihena io rehefa eny amin’ny ambaratonga ambony. Tsy maintsy misy ny fanatsarana atao amin’ny lafiny rehetra manomboka amin’ny fandaharam-pianarana, ny tetiandro, ny fotodrafitrasa mpampianatra…

Anisan’ny zavatra nodinihina mandritra ny fihaonana teny Anosy ny fanitsiana ny tetiandrom-pampianarana ho an’ny taom-pianarana vaovao. Mbola miroaroa saina betsaka ny ray aman-dreny satria tsy misy vaovao mazava mikasika izany hatramin’izao.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.