Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faharesen’i Barea: tovolahy iray sy teratany vahiny iray naratra

Faharesen’i Barea: tovolahy iray sy teratany vahiny iray naratra

Hafakely! Mpivady ka teratany malagasy ny vehivavy raha teratany vahiny koa ilay raim-piananakaviana nifandratra tany Toamasina, nandritra iny lalao ampahefa-dalana nifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy ry zareo Tonizianina, omaly alina, iny.

Mafy tamin’ilay renim-pianakaviana ny teny tsy voahevitra nataom-badiny izay noraisin’ity renim-pianakaviana ity ho fanambaniana ny maha Malagasy azy ka novelesiny tamin’ny lapoaly mbola nisy menaka mafana rangahy vadiny. Vokany, naratra mafy teo amin’ny lohany ilay raim-pianakaviana vadiny ka nentina notsaboina haingana tao amin’ny hopitaly. Nilaza ilay niharam-boina fa hitory am-badiny noho ity raharaha fandratrana azy ity.

Fa tovolahikely iray vao 18 taona kosa no nampisavoritaka ny fokonolona tao Analankinina Hopitalibe, omaly vao maraina. Tsy niala tao am-bavany ny faharesen’ny ekipam-pirenena malagasy izay naverimberiny teo am-bavany hoe “Barea, Barea” sady nanakorontana entana rehetra tao an-tokantranony izay. Voatery nandry andraikitra ny fokonolona ka nofatorana izy fa lasa adala vokatry ny fahitany ny faharesen’ny Barean’i Madagasikara. Samy nanana ny fahitany iny lalao iny ny rehetra ary raha ho an’ny mponina tao Toamasina manokana, tao anatin’ny fitaintainana ka nahatonga ireo olona sasany tsy nahafehy ny fientanam-pony ka tao ireo naratra sy lasa adala tsy fidiny.

Sajo sy Jean Claude

Les commentaires sont fermées.