Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampahefa-dalan’ny “Can”: vehivavy iray voatondra asidra, olona efatra nosamborin’ny polisy

Namoaka tatitra ny eo anivon’ny polisim-pirenena momba ny fitandroana ny filaminana nandritra ny fiatrehana ny ampahefa-dalan’ny “Can”, omaly alina. Misy hatrany ireo olona tsy mahafehy ny fientanam-po indraindray ka misy ireo mibirioka sy mandika lalàna. Miisa roa ireo trangana lozam-pifamoivoizana niseho teto an-dRenivohitra nandratrana olona roa. Roa ny trangana halaboty ary nahasamborana olona telo raha mbola mitohy ny fanadihadian’ny polisy. Vehivavy iray voatoraky ny asidra raha lehilay iray voatataky ny antsy ny tarehiny.  Momba ny tatitra nataon’ny polisy teny amin’ny faritra Avaradrano kosa, azo lazaina fa nilamina tanteraka, araka ny fampitam-baovao nampitain’ny polisy. Ho an’ny teny amin’ny faritra Atsimondrano, olona efatra voasambotra raha nikasa hitoraka ny fiara rehetra mandalo. Nanamafy ny eo anivon’ny polisim-pirenena fa olona no nitatitra any amin’izy ireo ny momba ity tranga resaka fanondrahana asidra sy tsatoka antsy teny Analakely ity fa tsy mbola naharay tatitra momba ity raharaha ity izy ireo satria ao anatin’ny fanadihadiana.

Miomana amin’ny fitsenana ny Barea ny polisy…

Naneho fisaorana manokana ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara nitondra avo ny voninahi-pirenena ka nampiakatra ny hambompon’ireo Malagasy. Mendri-piderana ary naneho fisaorana ny vahoaka tamin’ny fanohanana ny ekim-pirenena, indrindra ny filaminana nasehon’izy ireo mialoha sy nandritra ary taorian’ireny lalao nataon’ny Barea ireny koa ny polisim-pirenena. Hiara-hirona indray isika hitsena ny ekipam-pirenena malagasy anio amin’ny 2 ora sy 30 mn ary efa miomana amin’izany ny polisim-pirenena amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana sy ny fitandroana ny filaminana hanomezana voninahitra ireo maherifon’ny Malagasy. Manerana ny Nosy mihitsy, hatrany ampitan-dranomasina aza, nanaraka akaiky ity lalao “Can 2019” nandraisan’ny ekipam-pirenentsika anjara ity. Midika izany fa efa efa ao am-pon’ny Malagasy rehetra ny baolina kitra ary nampiray fo ny olona rehetra tsy ankanavaka. Ho vita amin’iny baolina iny ny firaisankinan’ny Malagasy? Vita iny ny ampahefa-dalana, inona kosa àry ny tokony hatao hitazonana hatrany izay firaisankinan’ny Malagasy izay? Anjaran’ny tsirairay ny mamaly izany! Eny Ivato indray anio amin’ny 2 ora sy 30 mn mifankahita.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.